Fandriampahalemana

Fitantanana ny fonja Esorina izay tsy mahavita azy


  • Talata 22 Septambra 2020

60% amin`ny voafonja dia voaheloka. 40% tsy latsaka kosa dia voatazona am-ponja (prévenu ).

 

Izany no atao hoe « ratio condamné ». Raha tiana no hampihena io isa io dia tsy maintsy miara miasa ny fandraharahana ny fonja sy ny fitsarana, alohan`ny fampidirana am-ponja ataon` ny mpitsara na aorian` ny famonjana. Ao anatin` ny fanavaozana samihafa ny tontolon`ny famonjana ny minisitera tompon’andraikitra ankehitriny. Ankoatra ny “grace présidentielle” tamin`ny volana jona lasa teo dia mizotra amin` ny atao hoe « libération conditionnelle » ny tompon’andraikitra ka mampahafantatra ny fahafahana manao izany. Miroso amin`ny fanatsaràna ny fitantanana ny fonja ny minisitera ka hametraka ny atao hoe “réinsertion sociale”: hisy ny fametrahana “camps pénaux” sy “atelier de production” mba hahafahana manao izay drafitra vaovao izay sy mba hisian` ny fahaleovantena ara-tsakafo ihany koa eo anivon` ny fonja. Ankoatra izay, hiroso amin` ny fanendrena vaovao an` ireny mpitantana fonja ireny izay fantatra fa tsy nahatratra ny tanjona napetraka na ihany koa nanao hadisoana goavana arak`asa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT