FITANDROANA NY FILAMINANA MANERANA NY NOSY

Tokony hatao ohatra ny amin’ny Fetin’ny Paska…


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Tokony hatao ohatra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny Fetin’ny Paska amin’ny faran’ny

herinandro ho avy izao sy ny fahatongavan’ilay Filoham-pirenena vahiny manan-kaja eto amintsika ny fitandroana ny filaminana isan’andro manerana ny Nosy. Ho an’ny Polisim-pirenena manokana dia nambaran’ny Tale jeneraliny ny Contrôleur Général de Police Rakotozanany Dany Marius omaly fa hohamafisiny ny fitandroana ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny fetin’ny Paska manerana an’i Madagasikara. Ho an’ny faritra Analamanga manokana dia hampitomboana ny isan’ ireo Polisim-pirenena misehatra eny an-kianja. Misy ny lamina sy paikady efa napetraka mahakasika izany ary hohamafisina manokana ny fisafoana izay hiarahana miasa amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana rehetra dia ny Zandarimariam-pirenena ary ny Tafika malagasy. Tsy latsa-danja amin’izany ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fitsidihana ofisialy hataon’ny Filoham-pirenena vahiny eto Madagasikara sy ny fivoriam-ben’ny Komision’ny Ranomasimbe Indiana (COI) izay hatao eto amintsika. Mandray anjara mavitrika amin’izany ny Polisimpirenena raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena hatrany. Mahafinaritra ny ezaka ny fandraisana andraikitra tahaka izao saingy hetahetan’ny mponina ny hitohizany mandavan-taona fa tsy hijanona amin’ny andro fety sy ny vanim-potoana hahatongavan’ireo vahiny manan-kaja eto amintsika ihany. Tena efa diso mangirifiry loatra mantsy ny mponina ny amin’ny fisian’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.
Pati
Legende : Ireo Polisim-pirenena nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT