Lehilahy iray no tratra noho ny fitazonana basy vita gasy tsy nahazoana alalana tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra ny 29 septambra lasa teo.
Tao amin’ny fokontany Marosoroko no nahatrarana azy io izay mbola nahenoana feo ihany koa fa mikononkonona hanao asan-jiolahy.Tonga tany an-toerana avy hatrany moa ny polisy nisambotra azy la ary mbola tratra tao aminy ilay basy vita gasy sy antsy maranitra niaraka taminy. Nentina natao fanadihadiana moa ny lehilahy raha efa nogiazana kosa ilay basy sy ireo antsy maranitra tratra tao aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.