Tsy kely lalana marina ny ratsy . Tany Mandritsara, nisy andian-olona nilaza fa manana safira amin'ilay kalitao tsara indrindra. Nikaroka mpividy izy ireo ary nilaza fa 40 tapitrisa ariary no vidin’ilay safira.
Roboka ny mpividy iray ka raikitra ny varotra. Raha natao anefa ny fanadihadiana, fantatra fa vaky tavoahangy no ataon'izy ireo tsara fono ao anaty ''sachet" sady nasiana menaka mba hananany endrika mamiratra sahala amin'ny safira. Fisolokiana araka izany ny zava-niseho ka nametraka fitoriana ilay mpividy.Tratra ireto olon-dratsy. Araka ny fampitam-baovao hatrany dia tsy vao izao ireto mpisoloky ireto no nanao izao asa ratsy izao fa efa maro ireo olona voafitak'izy ireo . Zandary nanao fanamiana sivily tao amin'ny fokontany Ambalabe, kaominina ambonivohitry Mandritsara no nahatratra azy ireo. Naiditra am-ponja vonjy maika ireto moa ireto mpisoloky ireto.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.