Fandriampahalemana

Fisolokiana sy fanafihana Telo mianadahy no sarona teny Andoharanofotsy


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Lehilahy miisa roa sy vehivavy iray no voasambotry ny polisy misahana ny ady

 

 

heloka bevava sakelika faha efatra (BC 4) ny 19 Desambra teo teny Andoharanofotsy. Raha araka ny fantatra dia voarohirohy tamin’ny raharaha halatra fiara mitam-piadiana izy 3 ireo. Ny 19 desambra teo no naharay fitoriana avy amina lehilahy iray ny Polisin’ny ady heloka bevava mikasika ny halatra fiara mitam-piadiana sy fitanana olona tsy ara-dalana raha ny 18 Desambra no nitrangan’ny raharaha. Raha tsiahivina kely dia ramatoa iray no tonga nanatona io lehilahy io nangataka fanampiana ka nanaiky izany ity lehilahy nitory ity ary nanaiky hitondra azy. Tamin’ny fotoana nidirany ny fiara anefa dia nisy lehilahy roa nitranga ary niditra an-keriny tao anatin’ilay fiara ka nanambana basy pistole miloko mainty ilay mpamily. Notereny hanao taratasy ilay lehilahy milaza fa namidiny 17 tapitrisa Ar tamin’izy ireo ilay fiara. Tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany alina dia nentin’ireo jiolahy ny fiara Marque ‘’Nissan’’. Naka ny laharana findain’ity lehilahy ity ireo jiolahy ary nanolo-kevitra izy ireo fa haveriny ny fiara rehefa mandoa vola mitentina 13 tapitrisa Ar . Nandritra ny fotoana nametrahan’ity olona ity ny fitoriana dia niantso azy ireo jiolahy ka nahafahana nametraka ny vela-pandrika hisamborana azy ireo. Nidina teny Ankadimbahoaka avy hatrany ny Polisy misahana ny ady heloka bevava nanatanteraka ny fisamborana. Tokony ho tamin’ny 02 sy sasany dia voasambotra ny lehilahy iray ary izy no nanondro fa eny Andoharanofotsy no misy ireo namany sy ilay basy. Nanatona an-toerana ny Polisy nanohy ny fisamborana ka tratra tamina hotely lehibe iray eny an-toerana ny lehilahy iray sy vehivavy iray niaraka tamin’ny basy vita gasy sy bala miisa telo. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo dia fantatra fa efa nikononkonona fanafihana cash point iray eto an-drenivohitra izy ireo. Fantatra ihany koa fa efa fanaon’izy ireo izao asa ratsy izao. Manakana ny fiara izay hitan’izy ireo fa mandeha irery ny mpamily eny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny ka ilay vehivavy hatrany no manakana ary mody mila fanampiana dia mipoitra avy any aoriana roalahy izay mandeha moto ka mitonona ho vadin’ilay ramatoa ny iray. Rahonany ilay mpamily ho naka ny vadiny ka takiany vola. Mitohy ny fanadihadiana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT