FISOLOKIANA ETO AN-DRENIVOHITRA

Tratra ireo 2 vavy efa nahazo 84 tapitrisa Ar mahery


  • Alarobia 07 Mey 2025

Vehivavy miisa 02 no saron'ny Polisy teo am-panatanterahana fisolokiana tao

amin'ny tranombarotra iray tetsy Tsaralalana ny 03 May teo. Nentina nihazo ny Kaomisaria CSP 1 Analakely avy hatrany izy ireo taorian’izany. Raha ny fanadihadiana dia fantatra fa miisa 03 ny fitarainana azon'ny CSP1 nanomboka ny volana Aprily teo noho ny fisolokiana nataon'ireto olona voasambotra ireto. Fantatra ihany koa fe efa maherin'ny 84 000 000 Ariary ny vola efa azony tamin’ny fisolokiana. Manantona tranombarotra iray izy ireo, mifampiresaka amin’ny tompon’andraikitra ary mandresy lahatra, milaza fa mpivarotra ihany koa sady manana mpanjifa maro. Asehony avokoa ny porofo sandoka maha mpivarotra azy toy ny taratasin-ketra sy ny firaketana amin'ny maha orinasa ara-barotra izay sandoka ihany koa, ka raikitra ny fifandresen-dahatra. Mametraka « chèque » izy ireo ka rehefa tonga ny fe-potoana andoavana izany, manjavona ireto mpisoloky. Rehefa nohadihadiana anefa ilay cheque dia fantatra fa tsy misy anto-bola akory. Manoloana izany dia miantso ireo olona manan-draharaha amin'ireto olona ireto mba hanantona na hiantso avy hatrany ny Kaomisaria Boriborintany Voalohany Analakely ny Polisimpirenena hahafahana manohy ny fanadihadiana. Niakatra fitsarana omaly Talata izy mirahavavy ireto.
Pati
Legende : Ireto izy mirahavavy mpisoloky hikoizana eto an-drenivohitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT