Fandriampahalemana

Fisolokiana eny amin’ny “cash point” Vehivavy karana iray voasambotra


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Vehivavy iray voalaza fa teratany karana no voasambotra teny Anosy Avaratra Distrikan’Antananarivo Avaradrano, taorian’ny fisolokiana avo lenta tamin’ny alalan’ny fakana vola tamin’ireny « cash point » ireny.

Nanomboka ny alakamisy herin’ny anio no voalaza fa nanesy nitety naka vola tamin’ireo cash point eny Avaradrano izy. Nanomboka teo Ankadikely ka hatrany Sabotsy Namehana, saingy tratra ihany noho ny farany, raha ny fanamarihana. Nasesiny notetezina nakana vola amin'ny alalan'ny Mobile Money ireo Cash point. Nisy nahatsikaritra anefa ny asa ratsiny ka tratra ihany. Efa nivondrona sy nametraka fitorina ihany koa ireo voasoloky. Isan’ny endrika isehoan’ity fisolokiana avo lenta ity ny hoe: fakana ny anarana “Mvola” na “Orange Money” na “Airtel Money” rehefa mandefa “message” izy. Mody maka vola, na manao “retrait”. Alainy ilay laharana hanaovana “retrait” avy eo “message” tsy izy no tonga ao amin’ilay “cash point”. Lasany ny vola dia mitsoaka izy, hoy ny fanamarihana, ary efa maro no lasibatra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT