Fandriampahalemana

Fisolokiana avo lenta Biriky no amidiny lazainy fa finday


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Lehilahy iray 44 taona no nosamborin’ny Polisy miasa teny amin’ny Fasan-karana ny 11 janoary 2022 teo noho ny resaka fisolokiana olona.

Polisy manao ny fisafoana mandeha an-tongotra amin’iny faritra Fasan-karana sy ny manodidina iny no nahatsikaritra ity lehilahy iray ity hafahafa fihetsika. Mivarotra finday amin’ny olona izay mandalo eny no hataony ary ataony anaty « Chiffon Jaune » izany. Rehefa nanatona akaiky kokoa ny Polisy dia miisa roa ny fonosana « Chiffon jaune » teny amin’ity lehilahy ity ary fantatra fa biriky no ao anatin’ilay iray. Teo am-pamarotana ilay fonosana biriky mihitsy ity olon-dratsy ity no nosakanan’ny Polisy avy hatrany raha efa saika handositra. Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria Mahamasina ity lehilahy ity nanaovana fanadihadiana. Fantatra tamin’izany fa anisan’ireo mpamitaka olona amin’io asa ratsy io izy ka rehefa tena raikitra ny varotra dia hampifamadihany amin’ilay fonosana biriky ny finday tena izy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy sy ireo karazana finday roa hampiasainy hamitahany olona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT