Fisolokiana avo lenta

2 vavy tsara tarehy naka 8 hetsy tamin’ny cash point


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Vehivavy tsara tarehy no tratra nisoloky 800.000 Ariary tamina Cash Point

tetsy Antaninarenina omaly. Nanantona mpanao Cash Point iray izy ireo ka niresaka sy nilaza fa mahita asa aao anatin’ny tambajotra facebook, ary hampidirana hatramin'ny 50.000 Ariary isan'andro, hoy ny fitantarana. Ny hany atao, hoy ny fanazavan'izy roa vavy, dia mandefa vola 200.000Ar any amin'ny sefom-pokontany maromaro kanefa tsy hay hoe aiza ? Vola izay voalazan'ireto vehivavy ireto fa efa ao anaty ny kaontin'izy ireo ka alefa miaraka any amin'ilay cash point, saingy rehefa voalefa daholo ny an'ireo sefo fokontany vao omena ny fitambaram-be. Rehefa natomboka ary ny asa; nahalefa 200.000 Ariary in-4 ilay cash point vao nitaky ny vola tamin'ireo tovovavy. Nojereny ihany koa, tsy nisy vola nalefan'ireo voalaza ho nanakarama azy akory fa « message » tsotra no tao anatin'ny finday. Noetina any amin'ny biraon'ny polisy izy roa vavy ho fanohizana ny fanadihadiana. Samia mailo fa tsy kely làlana ny ratsy.
Toky R
Sary indrana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT