Fandriampahalemana

Fisolokiana amin’ny fitaovam-pifandraisana Maro hatrany ireo tratra, tsy kely lalana ny ratsy


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

Tsy kely lalana ny ratsy, hoy ny fitenenana. Na dia efa maro aza ireo

karazana fisolokiana sy famitahana miseho amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisan-davitra toy ny someso sy tambazotran-tserasera dia mbola maro hatrany ireo tratra na voafandrika anatin’izay fisolokiana an-tambazotran-tserasera izay, raha ny fitarainana voaray tato anatin’ny herinandro mahery izao. Ireo any amin’ny faritra no tena lasibatra. Isan’ny nalaza sy naha onena ny maro ilay raiamandreny efa 77 taona, izay monina eto Antananarivo, ka nahazo hafatra tamin’ny findainy fa mila midina any Foulpointe haka ny vola an-tapitrisany Ariary anjara lokany tamin’ny fisarihana nataona orinasa iray. Ankoatra azy moa dia maro koa ireo efa nampahafantatra tanaty tambazotran-tserasera ihany fa efa isan’ireo naharay hafatra mitovitovy amin’izany ary nomen’io tambazotra io toromarika mikasika ny tokony ataony sady mbola notakian’ilay tambazotra vola hoe ahafahan’ilay olona naharay someso maka ilay lazaina fa anjara lokany. Raha vao mahamahana ny ho mitady ho tratra ilay mpisoloky dia tsy mandeha intsony avy eo ilay laharana finday, hoy hatrany ny fanazavàn’ireo nijoro vavolombelona. Vehivavy iray avy any Mahajanga koa no velon-taraina ny faran’ny herinandro teo fa efa fanintelony izy izao no tratry ny fisolokiana amin’ny alalan’itony varotra an-tambazotran-tserasera na «vente en ligne» itony. Farany teo izao, hoy izy, solosaina mitentina 6 hetsy Ariary no nafarana ary tsy nanaiky ilay mpivarotra raha tsy voaloha ny vola vao azo ny entana. Vao nalefa tamin-drizareo nefa ny vola dia avy hatrany dia tsy azo antso intsony ilay laharan’ny findainy. Ianao moa aty an-tany lavitra no te hahazo zavatra tsara dia roboka. Kitapo mitentina 1 hetsy no novidiako teo aloha dia paoketra 6 alina saingy tsy nisy azo ny entana fa ny volanao foana no lasa any, hoy hatrany ity vehivavy ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT