Fandriampahalemana

Fisavana ireo mivezivezy alina eto Iarivo


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Nahatratra 66 ireo tsy nitondra karapanondro

Tokony hitondra karapanondro hatrany ny olom-pirenena iray rehefa mivoaka ny trano. Antontan-taratasy hahafahana manavaka ny olon-tsotra sy ny olon-dratsy mantsy izy ireo no sady hahafahana mamantatra ny momba ny olona iray ihany koa raha misy trangan-javatra miseho. Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra dia olona miisa 66 be izao no tratra nivezivezy tamin’ny alina teto an-drenivohitra tsy nitondra kara-panondro. Misy vehivavy izy ireo saingy lehilahy ny ankamaroany. Ireo lehibe isan-tsokajiny eo anivon'ny Polisim-pirenena no nitarika ireo Polisy nanao ny fisafoana tamin’izany. Izany no natao moa dia ho fiarovana ireo olona amin'ny trangana tsy fandriampahalemana mety hiseho eny anivon'ny fiaraha-monina. Mirongatra sy mahazo vahana rahateo ny vono olona sy ny hala-botry eto amintsika indrindra fa ny fanendahana. Notazonina ary natoro ny tokony hataony moa izy 66 mianadahy ireo tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fisafoana nataon’ny mpitandro ny filaminana teto an-drenivohitra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT