Fisandohana sy fisolokiana avo lenta

Mpisandoka ho manamboninahitra voasambotra


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Lehilahy iray 42 taona efa nigadra in-droa miantaona ny 2020 sy 2021 noho

ny fisandohana asa sy andraikitra ary fisolokiana no voasambotry ny zandary avy amin’ny Brigadin’Ambohimalaza niaraka tamin’ny sakaizany. Nisandoka ho manamboninahitra izy io, ka teo am-panatanterahana ny asa fisolokiana tao anaty toeram-pisotroana izy ireo no voasambotra ny faran’ny herinandro teo. Olona niharan’ny fisolokiana nataon’izy ireo no nametraka taratasy fitoriana tany amin’ny zandary, ka nahatonga ny vela-pandrika. Voalaza fa milaza ho mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny Primatiora na sivily na miaramila ny tenany. Nilaza ihany koa ho mahavita mampiditra ho miaramila raikitra ho an’ireo tafika nahavita fanompoam-pirenena. Milaza ihany koa ho mahatafiditra mpamily sy mpitatam-bola eo anivon’ny tafika ihany koa izy ireo. Raha ny tatitra hatrany, dia maro ireo efa voasoloky satria ralehilahy iray dia manao fanamiana manamboninahitra foana, ary ravehivavy indray dia manao fanamiana an’ny tafika fanaovana fanatanjahantena entina handresen-dahatra ireo olona kendrena, hoy ny tatitra. Teo amin’ny 2 tapitrisa Ar ny vola azony tamin’ny fisandoana nataony, hoy ny tatitra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT