Fandriampahalemana

Fisandohana ho mpitandro filaminana Voasambotra i « Zo Bôdika », efa gadra lava


  • Alakamisy 22 Septambra 2022

Noho ny angom-baovao azo avy amin'ny olona tsara sitrapo sy ny paik'adin'ireo zandary miasa ao amin'ny compagnie Tana Ville,

dia voasambotra afak’omaly Talata 20 septambra 2022 tokony ho tamin'ny 03 ora tolakandro, teny Anosy Atoa Elisantienne Zo Tianirainy na i "ZO BODIKA". Malaza amin’ny fisandohana anarana sy andraikitra ho zandary sy polisy ny tovolahy. Toraka izany ny fampiasana karatra zandary hosoka. Mbola tafiditra ao anatin’ny fikambanana andian-jiolahy ihany koa izy, ny fitazonana fitaovam-piadiana mahery vaika tsy nahazoana alalana (pistolet automatique marque bacane) ary ny fivarotana basy Marihana moa fa teo am-pikasana hivarotra basy Pistolet Automatique izy no izao voasambotra izao. Mbola sahy nanambara ihany ny lehilahy nandritra izany fa zandary miasa ao amin’ny Toby Ratsimandrava ny tenany saingy fantatra fa tena zandary sandoka rehefa nohamarinina ny mombamomba azy. Efa mpamerin-keloka moa ny lehilahy. Efa avy nigadra 15 taona tao amin’ny fonjan'ny Tsiafahy nohon'ny fanafihana mitam-.piadiana ihany koa izy.
Nangonin’i
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT