FISANDOHANA HO MANDEFA MPIASA ANY CANADA

Lehilahy iray voasambotra, 200 tapitrisa Ar no efa azony


  • Alakamisy 17 Oktobra 2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

hosoka no nosamborin’ny SRPJ SAVA tao Sampibava ny 11 Oktobra lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia milaza fa mahita asa any Canada ity lehilahy ity ka mampiasa kaonty hosoka ato anatin’ny tambajotran-tserasera facebook mitondra ny anarana hoe " Cabinet Mirindra". Vola mitentina 2. 500 .000 Ar ka hatramin'ny 2. 800. 000 Ar no alainy amin'ireo olona solokiany. Taratasy hosoka avokoa anefa no hampiasainy sy zarainy toy ny pasipaoro sy fahazahoan-dalana hiasa. Vao azony ireo vola ireo dia manjavona izy no sady tapahany ny fifandraisana amin'ireo olona voasolokiny.Efa an-jatony moa ireo olona voasolokin'ity lehilahy ity ka vola mitentina 200 000 000 Ar no efa azony. Efa naiditra am-ponja vonjimaika ny anaolahy. Tsiahivina moa fa tsy vao sambany no nisy olona misoloky milaza ho afaka mandefa mpiasa any ivelany tahaka izao teto amintsika. Tokony hitandrina araka izany isika no sady hanao fanadihadiana lalina raha tena liana, indrindra fa ny fanadalana saim-bahoaka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera Facebook tahaka itony. Tokony ho hita taratra foana mantsy ny fisian’ny tolotr’asa tahaka itony raha tena marina ilay fahafahana mandefa mpiasa any ivelany izay manaraka rafitra an-tanan-tohatra maro fa tsy mandeha ho azy tahaka izao raha tena misy marina.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana efa voky ny vola nosolokiany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT