Fisamborana noho ny afera

«Kidnapping »


  • Alakamisy 21 Desambra 2023

Olom-boafidy 2, mpitandro filaminana 9, sivily 5

Olom-boafidy 2, mpitandro ny filaminana 9, sivily miisa 5 no voasambotra tamin’ny raharaha fakana an-keriny na « kidnapping» ao amin’ny distrikan’Ankazobe sy Anjozobe, raha ny tatitra nataon’ny mpitandro ny filaminana. Nandray anjara tamin’ny asa ratsy na tamin’ny asa fanafihana mivantana, na fampitaovana,… izy ireo. Nambara fa efa fantatra ireo atidoha, ary mandeha ny fikarohana. Raha hiverenenana, ny 13 desambra lasa teo no nanaovan’ny mpitandro filaminana tatitra fa dahalo miisa 3 no lavon'ny mpitandro filaminana, roa hafa kosa naratra mafy raha tafatsoaka ny namany sasany. Basimborona miisa roa no tavela, miaraka amin'ny bala efa nipoaka miisa 17, miaraka amin'ny mohara sy tavoahangy feno ody ratsy. Tamin’io, dia miisa 8 ireo takalon’aina, saingy efa roa sisa satria votsotra ny 6 raha ny tatitra omaly. Ny 4 desambra no nanomboka ny hetsika fampandriana fahalemana. Ny sasany tamin’ireo 6 votsotra, dia ny 2 tafavoaka voalohany no nandoa vola ny fianankaviany fa ny ambiny dia vokatry ny tsindry nataon’ny mpitandro filaminana, ny fokonolona, ny olom-boafidy, raha ny fanazavana nentin’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny Kolonely Tojo Raoilijon Kaomandin’ny Vondron-tobin’ny zandarimaria Analamanga.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT