Fandriampahalemana

Firodanan’ny fonjan’Antsohihy Tafakatra 8 ny maty


  • Talata 11 Jolay 2017

Tafakatra 8 ny olona namoy ny ainy vokatry ny firodanan’ny rindrin’ny fonjan’Antsohihy ny sabotsy 8 jolay lasa teo noho ny tsio-drivotra mahery.

3 no maty teo no ho eo ary ny 1 kosa tany amin’ny hopitaly. 11 ireo naratra mafy saingy raha ny vaovao azo avy any an-toerana, dia niampy 4 ireo namoy ny ainy izay nialana nenina tany amin’ny hopitaly. Miisa 7 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao.  Efa tena antitra ity fonja ity satria tamin'ny 1956 no nitsanganany. Tsy arakaraka ny isan’ny olona tazonina ny kalitaon’ny fonja eto Madagasikara, ary efa voasokajy ho  fonja ratsy indrindra sy tsy manaraka ny fenitra takiana ny eto Madagasikara. Raha ny eny Antanimora manokana, ohatra, dia olona 800 no tokony ho zakany saingy efa mihoatra ny 3000 ny isan’ny olona migadra eny an-toerana. Maro loatra ihany koa ireo olona hampidirina am-ponja vonjimaika tsy misy fitsarana. Efa maro ny antso avo ataon’ny mpanara-maso ny zon’olombelona na avy eto an-toerana na avy any ivelany mikasika ny fenitry ny fonja eto amintsika, saingy tsy misy aloha hatreto ny tena fandraisan’andraikitra sy vahaolana mafonja.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT