Fandriampahalemana

Fiofanana ho "commando" Miaramila 23 lahy niofana tao Ambatolaona


  • Zoma 04 Novambra 2022

Lanonana roa sosona no tontosa tao amin’ny CNEC Ambatoloana omaly 03 Novambra 2022, araka ny famoaham-baovaon'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena.

Ny lanonana voalohany dia ny fisafidianana antokon-tafika ho an'ireo manambonihitra avy ao amin'ny andiany mivantana faha 43 misalotra ny anarana "60ème Anniversaire de l'Indépendance" sy ny avy ao amin'ny andiany manokana faha 25 mitondra ny anarana "Masova" izay vao nahavita fiofanana teo anivon'ny Akademia Miaramila. Ny faharoa dia ny fanolorana ny marika fahavitan'ny fiofanana "Commando" ho an'ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin'ny andiany mivantana faha 44 ary miaramila 23 mirahalahy eo anivon'ny " Bataillon Parachutiste". Ireo lanona ireo dia teo ambany fiahian'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard, ary notarihin'ny Jeneraly Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika. Nanonotrona izany kosa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Jeneraly mpandrindra Ankapobeny ny asa ara-stratejika eo anivon'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena izay nisolotena ny SEG niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra ambony eto anivon'ny Tafika. Hanampy ireo mpianatra ho manamboninahitra ireto bebe kokoa amin'ny fanatanterahana ny asa izay ataony eny anivon'ny vahoaka amin'ny fampanjakana ny fandriampahalemana ny fiofanana "Commando" izay narahan'izy ireo.
Nangonin'i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT