Finday sy karatra nisy nangalatra teto Antananarivo

Voatery maneha any amin’ny 100 km manao fanamarinana.


  • Alarobia 06 Aogositra 2025

Nisehoana fangalarana tao an-tranoko eto Antananarivo anio 5 aogositra 2025,

hoy ny tekinisianina sy mpanentan’ny haino aman-jery Top Radio, Alain Thierry Rakotonirina, omaly. Very, hoy izy, ny finday ary tao an-damosin’io finday io nisy karatra maha tomponandraikitry ny serasera ahy tany Ankazobe ny taona 2023 tany ho any. Misy IMEI io finday io ary misy ny mombamomba ahy rehetra ka milaza aho eto hoe raha misy ataon’ny olona amin’ny alalan’ilay karatra misy ny sariko any na toy izany dia tsy tompon’antoka ny tenako satria tsy aty amiko intsony ireo zavatra ireo. Amin’ny anaran’i Rakotonirina Alain Thierry, teraka ny 3 jona 1997 tao Mahajanga ireo karatra ireo. Natao tao Ankazobe ny kara-panondroko sy ny momba ahy dia ny laharan’ny finday moa 0346939323 sy 0338925004. Efa niezaka izahay nanatona ny mpitandro filaminana saingy nilaza moa ireo hoe mbola mila mankany Ankazobe, any amin’ny 100km any mihitsy maka ilay taratasy fanamarinana avy any amin’ny kaominina hoe niasa tao tokoa ary nampiasa io karatra na «badge» io tokoa, hoy hatrany ity tomponandraikitra amin’ny tontolon’ny serasera ity.Araka ny fanazavàny moa dia sendra nijery zavatra tao amina efitrano hafa vetivety izy no in-dray mipi-maso ihany koa no tsy nahitàna intsony ilay findainy sendra napetrany tao amin’ny efitra ilany ary tsy azony an-tsaina mihitsy tamin’izay fotoana izay no naka izany fitaovam-piasàny izany.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT