Notokanana omaly ny biraon'ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Tolagnaro, ka ny Filoham-pirenena, ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, ny Governoran’ny Faritra Anosy no nitarika ny lanonana.
Fotodrafitrasa izay nambara fa tafiditra ao anatin'ny fanatanterahana ny veliranon'ny Filoha Andry Rajoelina, dia ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra sy ho famerenana indray ny hasin'ny polisim-pirenena. Natao mba ho fanatsarana hatrany ny fitantanan-draharaha sy ny asan'ny polisim-pirenena eto amin'ny faritra Anosy. Notolorana fiara tsy mataho-dalana sy moto Gasycar ihany koa ity biraon'ny fitaleovam-paritra vaovao ity mba hahafahan'ireo polisy hanao ny asany araka ny tokony ho izy, hoy ny Fampitam-baovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.