Fandriampahalemana

Fikotranana tsy ara-dalàna an’elakelantrano Mampirongatra ny tsy fandriampahalemana


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Miroborobo fatratra ireo ivon-toerana mpampikotrana tsy ara-dalana any an’elakelan-trano amin’izao eto an-drenivohitra.

Saika isaky ny faritra mihitsy izany ho an’ny Boriborintany tsirairay avy eto Antananarivo renivohitra ka 300 Ar monja dia efa mandray mpikotrana iray ny ivon-toerana tsy ara-dalàna iray. Saika ireo tovolahy tsy an’asa araka izany no mikotraka sy miofana amin’izy ireny manantena ny mba hahita asa mifandraika amin’izany. Rehefa tena mandeha eny anefa ny fotoana, tsy mahita asa izy ireo ka mivadika ho zavatra hafa izany. Lasa ampiharin’izy ireo amin’ny asa fanendahana olona miaraka amin’ny antsy maranitra….izany fikotranana nataony izany, any amin’ny toerana misy azy ireo avy. Raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Boriborintany iray dia tokony handraisana fepetra mihitsy ireny ivon-toerana ireny miaraka amin’ny ivon-toeram-pilokana tsy ara-dalàna fa tena mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra. Ankoatra izay hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia manaratsy endrika ireo ivon-toeram-pikotranana ara-dalana ihany koa ny fisian’izy ireny. Manomboka eo amin’ny faha-15 taonany moa dia efa manao izany ireo zatovolahy kely manana 300 Ar eto an-drenivohitra, fikotranana tsy mitaky na inona na inona fa tena gaboraraka tokoa.
Pati
Legende : Hampiharin’ireo mpikotraka tsy ara-dalana amin’ny fanendahana…ny fiofanana ratovony amin’izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VARIRA NISY
  • Zoma 27 Novambra 2026

NANAFIKA TANY TSARATANANA

  • LOZA
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

SY FATY OLONA

  • PR JOSEPH-
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

TSINGERIN-TAONA MAINTY

  • Fanakorontanana
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

fiarahamonina

  • Lehilahy naka
  • Alakamisy 19 Novambra 2026

vola 2 tapitrisa Ariary

  • Ady amin'ny
  • Alarobia 18 Novambra 2026

heloka bevava an-tserasera

Hijery ny tohiny
FTT