Fandriampahalemana

Fikomiana sy fanafihana mpitandro filaminana Zazafotsy 7 maty ripaky ny bala sy grenady


  • Alarobia 10 Mey 2023

Tranga manamarika ny fahapotehan’ny fiarahamonina sy ny tsy fitoniana eto amin’ny firenna ny zava-doza niseho tany amin’ny Kaominina Manerinerina any amin’ny RN6 distrikan'Ambatoboeny sy tany Ankarafantsika tamin’ny fiandohan’it herinandro ity.

Zazafotsy na andian’olona karazana andrimasom-pokonolona miisa 7 no maty voatifitra sy nipoahan’ny grenady noho ny fikomiana sy fanoherana ny fahefam-panjakana. “Io alatsinainy io tamin'ny 8 ora maraina, raha nanangan-tsaina ny kaominin'i Manerinerina dia, nisy zazafotsy 3 lahy tsy niraharaha jery atrika sy niventy ny hiram-pirenena. Naniraka polisy kaominaly ben’ny tanàna hisambotra azy 3 lahy. Voalaza fa nandrangaranga sabatra be lava lela anefa ireo zazafotsy. Na izany aza, tratra ny 2, ary andositra ny iray. Noho ny zava-niseho, niantso zandary ny ben'ny tanàna satria efa fantatra ny fiadin'ireo zazafotsy fa tsy maintsy hanao rodobem-panafahana ireo namany voasambotra. Nisy tonga tokoa, ka nihazakazaka namely ny zandary iray (GP2C) tamin'ny sabatra. Nalemy teo no ho eo io zandary io satria voa teo amin'ny hatony, ka nitifitra ary maty teo no ho eo ny 3 tamin'ireo zazafotsy. Noentina ilay zandary naratra sy ny ben'ny tanàna mba harovana, satria notadiavin'ireo zazafotsy ho taperina ny ain'ity olom-boafidy. Tonga hatramin’ny resaka fanafihana tobin'ny zandary omaly. Misy olona maro avy amina foko iray voalaza fa nivory sy nanampy ireo zazafotsy hamaly faty, hoy ny fanamarihana. Afak’omaly ihany, nisy ireo miaramila miambina ny sahan-javaboahary Ankarafantsika indray no nanamparan'ireo zazafotsy ny hatezerany, hoy ny fitantarana. Telolahy ireo miaramila, ka ny iray no nodarodarohan'izy ireo, satria ny roa tsy tao fa nanao fisafoana. Lasany ny basy kalachnikov iray laharana 44.142 miampy bala. Nahare izany ny Tafika malagasy ary nanao diabe hikaroka io basy io sy hitondra ilay naman'izy ireo any amin'ny hopitaly. Ny hariva, dia napoapoakan'ireo zazafotsy teo an-tanànan'Anjiajia ilay basy. Tonga tany an-toerana ny miaramila hanampy isa avy any Mahajanga, saingy voalaza fa notafihan'ireo zazafotsy. Ny kaomandin'ny "bataillon" mihitsy no andeha ho firain'izy ireo ny sabatra. Namaly tifitra ny miaramila, ka lavo ny roa tamin'ireo zazafotsy. Omaly indray, nitangoronan'ireo zazafotsy ny tobin'ny zandary ao Anjiajia. Nanapoahan'ny mpitandro filaminana grenady. Niampy roa indray ny zazafotsy maty, ka teo vao nihemotra izy ireo sy niteny fa hamerina ilay basy, ary efa naterina,… hoy ny ambangovangon’ny fanazavana.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT