Fandriampahalemana

Fikatonan’ny karieran’i Ranomena Ahiana tsy hampandry fahalemana


  • Sabotsy 22 Jolay 2017

Milefitra amin’ny fitondram-panjakana ireo mponina ao Ranomena na dia eo aza ny fanahian’izy ireo amin’ny mety ho fanakatonana ny ny kariera fitrandrahana kraoma ao an-toerana.

 Raha hisy tokoa izany dia tsy hanakana ny fanapahan-kevitry ny fitondrana izahay fa mangataka kosa ny hijerena manokana ny fiainan’izy ireo satria dia efa lasa foto-pivelomana any an-toerana ny fitrandrahana kraoma, hoy izy ireo. Nampiakatra ny faripiainan’ireo mponina izany ary maro ireo mpandraharaha midina any an-toerana mividy. Nisy aza mpandraharaha nanangana vondrona hanatontosa fotodrafitrasa fanamboran-dalana mihitsy ary nanapa-kevitra hanao latsakemboka 10 tapitrisa ariary isak’ireo mpandraharaha satria ratsy ny lalana ao Ranomena, distrikan’i Toamasina II. Manahy ny amin’ny hiverenan’ny tsy fandriampahalemana ireo mponina raha hakatona tokoa ity kariera ity.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT