Fandriampahalemana

Fikasana hangalatra Saika matin'ny fitsaram-bahoaka ilay lehilahy


  • Zoma 27 Mey 2022

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona no saika matin'ny fitsaram-bahoaka tany Sambava raha tsy tonga haingana ny mpitandro ny filaminana.

Nandeha mantsy ny feo tao an-tanana fa saika hangalatra ity lehilahy ity. Noho ny hasarotan'ny fiainana anefa dia tena efa leo izany ireo mponina any amin'ity distrika ity ka samy nandray anjara tamin'ny famonoana avokoa izy ireo. Ny sasany namely ny lohany tamin'ny famaky raha namira ny vatany tamin'ny antsy ny sasany. Tsy mbola voaporofo kosa anefa fa tena mpangalatra ity lehilahy ity.
TSARA HO FANTATRA
Nisy ny fanentanana nataon'ny polisim-pirenena tamin'ireo mponina any an-toerana araka izany mba hanadihady tsara vao mikasi-tanana tahaka izao. Na mpangalatra koa aza ilay olona dia mbola tsy azo hatao ihany koa ny mandratra azy fa anjaran'ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ny tohin'ny raharaha. Nambaran'ireo mponina sasany ao Sambava moa fa matetika no tafavoaka foana ireo mpanao ratsy mpambotry vahoaka rehefa alefa eny amin'ny mpitandro ny filaminana ka aleon'izy ireo tonga dia mandray anjara mivantana manafay azy ireny. Tsiahivina fa nahatratra 2 ny fitsaram-bahoaka nitranga izao tato anatin'ny herinandro izay ka ny iray namoy ny ainy mihitsy.
Nangonin'i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay lehilahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT