tany Morondava
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny CRFIP Menabe, ny 23 Septambra teo, tao Tsimahavaobe Morondava, noho izy nikasa hangala-jaza. Zazalahy kely 10 taona no voalaza fa nokendrena tamin’izany. Raha araka ny loharanom-baovao dia nilalao io zaza io no notiliany. Niezaka niantso ny mpitandro ny filaminana araka izany ny mponina ka voasambotra teny an-toerana ilay olona, ary nentina natao andri-maso sy nanokafana fanadihadiana. Vaovao farany voaray mikasika ity tranga ity ny fampidirana am-ponja vonjimaika ilay lehilahy. Mbola karohina kosa ireo mpiray tsikombakomba aminy.Manentana hatrany ny mpiara-belona tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy ary hanome loharanom-baovao ny mpitandro ny filaminana raha misy mampiahiahy hahafahana mametraka fandriam-pahalemana maharitra.
Nangonin’i Pati
Legende : Any am-ponja ilay ranamana ity no tsy maintsy hanohy ny fiainany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.