Fandriampahalemana

FIKASANA HANGALA-JAZA Lehilahy iray nidoboka any Tsiafahy


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Notanana am-ponja eny Tsiafahy ilay tovolahy iray taorian'ny nanaterana azy teny amin'ny fitsarana.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny alin'ny 05 Martsa teo tokony ho tamin'ny 8 sasany no nampandre ny mpitandro ny filaminana ao Alakamisy Fenoarivo ny fokonolona fa misy lehilahy mikasa hangalatra zazakely 4 taona eo akaikiny, zaza izay mbola miandry an-dReniny avy niasa ary nidina tao an-trano. Naniraka olona io tovolahy io nilaza fa tadiavin’ny dadany ilay zazakely 4 taona fa mila mivoaka ao an-tranony. Ny dadan’io zaza io anefa eo an-daniny tsy eto Madagasikara akory. Niverimberina ilay nirahina saingy tsy nety nivoaka ilay zaza no sady tsy nomen’ireo ankizy namany tao an-trano ihany koa. Rehefa nandeha ny fotoana dia ilay mpaniraka mihitsy no niditra teo am-bavahady haka ilay zaza kinanjo nidin’ny ankizy ny trano. Tonga tampoka ihany koa ny Renin’ilay zaza nandritra izany ka nifona avy hatrany io tovolahy io izay nibaboka avy hatrany fa aleo hilamina ny raharaha. Nomeny ilay Madama Renin’ilay zaza ihany koa ny findainy niampy lela-vola 3.000 Ar. Niantso zandary avy hatrany ilay tompon-janaka, ny fokonolona rahateo efa vory no sady nanala ny fony tamin’ny daroka….ka avotra ihany ilay ranamana izay voalaza fa efa jembin’ny toaka.
Pati
Legende : Potiky ny tsy fisainana kely foana ny fiainan’ity tovolahy ity !

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT