Fandriampahalemana

Fikasana hanafika mpambongady Jiolahy iray no matin’ny polisy teny amin’ny 67 ha


  • Talata 25 Aprily 2023

Saika nitrangana fanafihana mpambongady tetsy amin’ny 67 ha omaly Alatsinainy atoandro. Jiolahy miisa 2 mitam-basy no voalaza fa saika hiketrika izany saingy sendran'ny Polisy nanao fisafoana.

Nitifitra avy hatrany ireto farany raha vantany vao nahatsikaritra izany no sady niaro ny tenany ka jiolahy 01 no lavon'ny balan'ny Polisy. Tafaporitsaka kosa ilay jiolahy namany iray hafa ka mbola hifampitadiavana hatramin’ny omaly hariva. Tsy tontosa vokatr’izany ilay fanafihana saika nataon’ireo jiolahy ireo. Tsiahivina moa fa voasokajy ao anatin’ny faritra mena mihitsy ny tananan’ny 67 ha amin’izao. Ankoatra ny mpanendaka sy ny jiolahy mitam-basy mpanao fanafihana tahaka izao dia eny an-toerana ihany koa no ahitana ireo ati-doha mpamatsy zava-mahadomelina ny manodidina azy toy ny cocaine…. Tokony ho hentitra amin’ny fanaraha-maso iny faritra iny ny mpitandro ny filaminana noho izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT