Fikasana hanafika

Dahalo 3 maty voatifitry ny zandary


  • Alatsinainy 10 Novambra 2025

Naheno mialoha ny lehiben'ny

borigadin'Ambohimanambola fa misy andian-jiolahy miomana hanafika mpandraharaha iray teny amin'ny faritra misy azy. Nosakanan'izy ireo tao anaty kizo tsy maintsy handalovany ny lehilahy iray rehefa avy nivarotra. Rehefa naheno izany ny zandary dia nampandre ny kaompania ao Mandoto ka avy hatrany dia nahetsika ireo ekipa efa naparitaka eny an-kianja. Ny Lietna kaomandy lefitry ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Mandoto no nandrindra ny velam-pandrika. Teo am-panafihana ilay mpandraharaha indrindra, teo amin'ny kizo atsimon'i Fenoarivo Fokontany Ambilomaro, kaominîna ambanivohitr'Ambohimanambola, no nipoitra ireo zandary ka raikitra ny fifampitifirana afak'omaly Sabotsy 08 novambra tamin'ny 8 ora alina. Lavo tamin'izany ireo jiolahy miisa 3 raha tavela teo an-tany niadiana ny basy lava hazo vita tanana iray. Tafaporitsaka nitady lalana kosa ny jiolahy roa hafa Nanararaotra ny andro maizina. Izy telolahy lavo ireto dia efa jiolahy mpamerin-keloka ary efa ela no nikarohana azy noho ireo asan-dahalo vitany, raha tsiahivina.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT