Fandriampahalemana

Fikasana hamaky orinasa Efa nananan’ireo mpangalatra ny fanalahidin’ny birao


  • Talata 20 Desambra 2022

Tovolahy miisa 02 nikasa hamaky orinasa lehibe iray tany Morondava no sarona rehefa nifanena tamin’ny mpitandro ny filaminana ny 18 desambra teo tokony ho tamin'y 11 ora atoandro.

Tao Betsipotika, kaominina ambanivohitr’ Analaiva distrikan'i Morondava no nitrangan’izany. Raha araka ny fantatra dia nitondra kitapo ary saika niverin-dalana izy roalahy ireto raha vantany vao nifanena tamin'ireo mpitandro ny filaminana. Nifanenjehan'ireo mpiambina sivily tao amin'ity orinasa saika notahifiny izy ireo nandritra izany, tranga niseho nanoloana ilay orinasa. Nandritra ny fisavana azy ireo dia mbola nahitana fanalahidy izay saika namahan'izy ireo ny birao misy ireo vy izay an'ity orinasa lehibe ity tany aminy. Efa maro mantsy ireo vy izay nisy nangalatra tao. Hatolotra ny fampanoavana amin’ity herinandro ity izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT