Mpampianatra

notafihin'ny jiolahy


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Naratra mafy, lasan'ireo

olon-dratsy ny antontan-taratasiny
Raim-pianakaviana iray, 42 taona, mpampianatra vao nahazo fanendrena hiasa ao amin'ny hiasa ao amin’ny EPP Antanandava, ZAP Ambatomarina, CISCO Manandriana, DREN Amoron'i Mania no notafihin'ny jiolahy roa teny an-dalana ka naratra mafy ny lohany. Nisy vaky miisa fito hita, araka ny fanazavan’ny mpitsabo tao amin'ny CSB 2 Ambohimahazo. Noho ny hamafin’ny ratra dia nakarina ao CHRR Ralalaonirina Ambositra izy mba hahazoany fitsaboana sahaza. Nanafaingana sy nandrindra ny fitondrana azy ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Amoron'i Mania, Rampanjato Nastina. Lasan’ireo olon-dratsy ny kitapony ahitana antontan-taratasy maromaro toy ny kara-panondrom-pirenena, ny taratasy fifanarahana arak'asa, kopian-jaza, diplaoma ... Niasa tao amin'ny EPP Ranomafana Centre, CISCO Ifanadiana izy teo aloha. Mandry tsy lavoloha ireo mpanabe sy mpiasan'ny fahasalamana any ambanivohitra ka mahatonga azy ireo tsy manaiky famindran-toerana indraindray.
Jean D.
Manaraka fitsaboana ao Ambositra ilay mpampianatra noratrain'ny jiolahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fikaonandohan’ny
  • Talata 27 Oktobra 2026

polisim-pirenena

  • FONJAN’I NOSY BE
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Teratany vahiny voafonja

  • Fanafihana sy fitifirana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

tena Anosibe

  • ZAZA 3 TAONA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

NISY NAKA AN-KERINY

  • MPANGALATRA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

TAOLAM-PATY

  • Trafikam-bolamena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mankany Dubai

Hijery ny tohiny
FTT