Fandriampahalemana

Fikaonan-dohan’ireo manamboninahitra «Mahalala ny tokony ataony ny tafika»


  • Zoma 30 Jona 2023

Raha tsiahivina dia ny 10 martsa 2023 no nandray ny fitantanana ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly

Rakotoarijaona Josoa, minisitry ny fiarovam-pirenena. Araka izany dia niroso tamin’ny fanaovana tombana ireo ezaka vita nandritra izay 3 volana mahery kely izay ireo tomponandraikitra ambony rehetra eo anivon’ny tafika malagasy, notarihin’ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, Lehiben’ny Etamazaoron’ireo tafika, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Haharitra roa andro ity fivoriana lehibe izay nosokafan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena tamin’ny fomba ofisialy teto amin’ny Cercle Mess Soanierana, omaly alakamisy 29 Jona 2023 ity. Ankoatra ireo tomponandraikitra ambony eo anivon'ny tafika sy ny minisitera dia nanome voninahitra ny lanonam-panokafana izany atrikasa izany ny Amiraly Randrianarisoa Marosoa, sekretera maharitry ny fiarovana sy filaminana eo anivon'ny fiadidiana ny repoblika. Votoatin'ny atrikasa ny tatitra ankapoben’ireo asa notontosaina, mifanaraka amin'ny toromarika nomen'andriamatoa minisitra sy ny famaritana ireo drafitr’asa mbola hotontosaina manaraka satria mbola maro ireo tanjona sy fanamby hotratrarina mikasika ny fiarovana sy ny filaminana, izay velirano voalohany napetraky ny filohan’ny repoblika. Sahan'asa napetraka ho laharam-pahamehana nandritra izay volana vitsivitsy izay ny hetsika Tselatra sy ny fampandriana fahalemana ny tontolo an-drenivohitra sy ambanivohitra, izay nataon'ny fari-piarovana sy filaminana miisa 10 manerana ny nosy. Isan’ny velabelarina sy hanaovana tatitra mandritra ity roa andro ity koa ireo atrikasa marobe, ny fanohizana sy fanatsarana ny fanitsian-drafitra eo anivon'ny tafika, ny lafiny ara-pitantanana, ny "Augure", ny ady amin’ny kolikoly, ny fanajana ny tandrohasina sy ny fanamafisana orina ny fitsipi-pifehezana eo amin’ny tontolon’ny tafika, ny firosoana amin’ny fikirakirana ny «e-poketra», ny fanatanterahana ireo ezaka sy atrikasa mifanaraka amin’ny ny sora-bola natolotra ny minisitera ary ny ady atao amin'ny fidorohana zava-mahadomelina. Nanamafy ny minisitry ny fiarovam-pirenena nandritra ny lahateny fanokafana nataony fa ho tohizana sy hamafisina hatrany ny ezaka atao hampanjakana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eny anivon'ny fari-piarovana sy filaminana. Nambarany koa ny maha zava-dehibe ny fanampiana ny vahoaka sy ny fifanomezan-tanana eo amin'izy ireo sy ny tomponandraikitra ahafahana manome taha miabo ny seha-pamokarana sy ny seha-pihariana, hampandrosoana ny firenena anatin'ny filaminana sy fahatoniana tanteraka. Manoloana ny fifidianana hoavy koa dia nanome toromarika hentitra ny tenany mba tsy hironan’ireo tomponandraikitra ambony isan-tsokajiny amin’ny fitaoman-dratsy mety hisy eo anivon’ny tafika. Nampahatsiahiviny tamin’izany fa manamboninahitra tomponandraikitra avokoa ny mpizaika ka mahalala ny tokony hatao sy ny fanapahan-kevitra horaisina isan'ambaratonga hampirindrana ny fiarahamonina. Vokatra tsara sy sosokevitra fanatsarana no andrasana hivoitra amin'ity atrikasa ity mba hametrahana ny fandriampahalemana maharitra manerana ny Nosy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT