Fikambanana masikoro arivolahy

«Efa nisotro ny aleoko maty hiaro


  • Alakamisy 28 Aogositra 2025

tanindrazana sy ny taranakay izahay!»

Miombom-po sy miara-mientana manomboka izao amin’ireo vahoaka mijoro sy manohitra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna any amin’ireo faritra maro eto amin’ny firenena ny FIMA na Fikambanana masikoro arivolahy, hoy ny fanambaràn’izy ireo omaly. Hianjadian’ny fanilihana azy amin’ny taniny izy ireo sy ny asa fivelomany, hoy ity fikambanana ity. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fikasàna hitrandraka tany tsy fahita firy ao amin’ny nosy Mitsio sy Sakatia ary koa ny any Ampasindava, Ambanja, indrindra, ny famotehana ny tontolo voajanahary amin’ilay fitrandrahana sy mari-pototra amin’izay tena laharam-pahamehan’ny vahoaka malagasy ary tsy mazava amin’izay tombontsoam-pirenena. Amin’ny FIMA, ny olana apetraky ny tetikasa Base Toliara dia tsy hoe raharahan’ireo olona ao amin’ny faritra atsimo andrefana na kaominina voakasik’ilay tetikasa irery ihany fa mametraka izany ho raharaham-pirenena izahay. Mahakasika antsika vahoaka malagasy iraimanontolo tsy misy anavahana ny raharaha toy izao. Averinay ary izingizininay ato amin’ny fikambanana fa tomponandraikitra ianareo rehetra namolavola tamin’ny fananganana ny fikambanana Voromahery hanoherana sy hanaovana hazalambo ireo manohitra ny Base Toliara. Mbola manao amboletra ny fampiasàna izany ianareo amin’izao. Tsy ho tafiditra anatin’ny velam-pandrika hitarihana ny fifamonoan’ny samy malagasy izahay. Na izany aza, efa nisotro ny aleoko maty hiaro ny tanindrazana sy ny taranakay izahay! Atsaharo ny fampiasanareo amin’ny fomba mamoahenatra ny fikambanana Voromahery! Miantso ireo herivelona rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena hivondrona satria tsy misy malagasy resy amin’ny taniny rehefa mivondrona. Mbola tsy vita ny tolona, hoy hatrany ity fikambanana ity. Nontronona vondron-kery samihafa moa ity fikambanana nanao fanambaràna ity omaly.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT