Fandriampahalemana

Fikambanana Andrimaso Miantso fihaonana hamahana ny tsy fandriampahalemana


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Nitondran’ny fikambanana miady amin’ny kolikoly sy tsy fandriampahalemana, Andrimaso, vavolombelona mihitsy ny sabotsy teo teto Antananarivo hanazavana mikasika ny tsy

 

 

fandriampahalemana ao atsimo ao. Araka ny fanazavan’ny tompon’omby miisa 68 lasan’ny dahalo, Miha Manjakavelo, dia very tao Antaly, fokontany Anjaha atsimo, kaominina ambanivohitr’i Beapombo, distrikan’i Betroka, ny 6 desambra 2019 teo ireo ombiny. Nandritry ny fanarahan-dia, fantatra fa novonoin’ireo dahalo teny an-dalana ny omby miisa 9. Ny omby lahy iray kosa dia tratra tao am-balan’olona antsoina hoe Mbana. Rehefa izay dia notanana 4 andro tao an-tanàna ireo mpanaradia miisa 74 lahy, raha ny fanazavana hatrany. Antony dia hahafahana manafatra mpiara-miasa amin’ny solombavambahoaka ao an-toerana na “assistant parlementaire” any Betroka sy ny ben’ny tanàna lefitra ao Beapombo ary ny sefo fokontany ao an-toerana izay mpikarama an’ady mba hanoherana ireo mpanaradia, hoy hatrany ny lasibatra. Taorian’ny dingana fitoriana rehetra natao dia 4 dahy no nosamborina saingy tsy nogadrain’ny mpampanoa lalàna satria fety, hono, ny andro. Manoloana ity fitarainana ity dia nanao antso ‘avo amin’ny fitondram-panjakana sy tompon’andraikitry ny filaminana rehetra ny Andrimaso mba hanatontosa latabatra boribory mihitsy hijerena izay vahaolana maharitra hamahana ity resaka tsy fandriampahalemana toy ny any atsimo ity satria hatramina olona efa tratra ambodiomby aza dia mbola avotsotra, hoy ny filohan’ny Andrimaso, Louis de Gonzague Raveloson.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT