Fikambanana Albinos Madagascar

Leo ny tsy firaharahian’ny Fanjakana izahay


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Leo sy tofoka tanteraka amin’izao fitondrana mijoro izao ihany koa ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny

filohany Soja Ramiandrisoa Fulgence. Natao an-kilabao hatrany mantsy ireo olona manana toe-tena varira hatramin’izay hoy izy raha nanao fanambarana ny fikambanana tamin’ny Sabotsy lasa teo raha toraka izay ihany koa ny fisian’ny fikambanana. Tsy misy hita daholo ny tohin’ny raharaham-pitsarana rehetra momba ireo olona varira, hoy hatrany izy raha toraka izany ihany koa ny fototry ny tena olana. Tsy hanaiky ary tsy handefitra intsony izy ireo manoloana izany.Nampahafantatra ny mpitondra ankehitriny sy izay vaovao ho avy eo araka izany ny fikambanana fa tena tsy hanaiky intsony ny tsy fandriampahalelana mahazo ireo olona manana toe-tena varira. Hotakian’izy ireo hatrany ihany koa ny hivoahan’ny marina mikasika ny raharaham-pitsarana rehetra izay karazan’ny modian’ny tompon’andraikitra sasany fanina fotsiny noho ny antony tsy fantatra. Miantso ny olom-pirenena rehetra mba hanampy azy hitady vahaolana ihany koa moa ny fikambanana indrindra fa ny mahakasika ilay zazavavy kely vao 18 volana nalain’ny dahalo mpaka an-keriny tao amin’ny Fokontanin’i Morarano, kaominina ambanivohitr’Ankilizato, distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe tamin’ny Talata lasa teo. Efa any an-dakazerina arovana kosa ny ain’ilay Reniny sy ny zokiny varira iray ary ny dadany.
Pati
Legende : Hijoro hitaky ny marina momba ireo namany ihany koa ireo olona manana toe-tena varira !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT