FIKAMBANAN-JIOLAHY

Telolahy nosamborin'ny polisy tao Antsiranana


  • Alarobia 20 Martsa 2024

Tovolahy miisa 03 no voasambotry ny Polisy tao Antsiranana ny 18 Martsa

rehefa nihetraketraka tao anaty fikambanan-jiolahy. Raha ny fantatra dia mpikambana amin'ny vondrona tanora hatao hoe : DAKAR ao amin'ny Fokontany Ambalavola izy ireo ary mampihorohoro ireo tanora any amin'ny Fokontany hafa ao an-toerana ihany koa.Araka ny fanadihadiana dia isan'ireo voarohirohy tamin'ny famonoan'olona ny 24 Febroary lasa teo ireto tovolahy ireto. Efa misokatra moa ny fanadihadiana hataon'ny kaomisaria ao Antsiranana mikasika izany. Marihina fa mila tsy ho tamana ao Antsiranana mihitsy ireo olona avy eto an-drenivohitra mifindra monina any an-toerana mikasika ny fisian’ireto andian-jatovo tia hetraketraka ireto. Ankoatra ny fanakorontanany fiaraha-monina mantsy dia mitady hamono mahafaty mihitsy izy ireo indraindray. Amin’ny alalan’ny tora-bato, ny fandrangarangana antsy lavalela mandehandeha eran’ny tanana no hanaovany izany koa hanaovana antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Ireo andian-jatovo mpihetraketraka ao Antsiranana efa voasambotra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT