FIKAMBANAN-JIOLAHY HOBO AO TOAMASINA

Tratra ireo 2 lahy mpanao herisetra sy mpampihorohoro


  • Talata 23 Janoary 2024

Fikambanan-jiolahy tena malaza ratsy sy mpampihorohoro ny mponina ao Toamasina ao,

indrindra fa ny eo Ambolomadinika Toamasina ny HOBO. Betsaka ireo fitarainana efa voarain’ny mpitandro ny filaminana mikasika azy ity izay marihina fa manendaka olona no sady mamono mandratra mihitsy. Lehilahy miisa roa 28taona sy 30taona araka izany no vosambotry ny Polisy miasa ao Toamasina ny Alahady 21 Janoary nifoha omaly Alatsinainy 22 janoary teny akaikin'ny stadium Mangarano. Raha araka ny fantatra moa dia efa narahin’ny polisy maso izy ireo ary nifandrihina avy eo ka tsy sarotra ny nisambotra azy. Noentina avy hatrany teny amin'ny Biraon'ny Polisy izy roalahy nanaovana fanadihadiana ka ny SUT Toamasina no mandray an-tanana izany.
Pati
Legende : Banga roa ireo ati-doha ao anatin’ny fikambanan-jiolahy HOBO !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT