FIHAONANA ANKAZOBE

Fasana iray indray no vaky, razana 21 voakirakira


  • Zoma 23 Febroary 2024

Ankoatra ny fakana an-keriny dia mirongatra ihany koa ny vaky fasana

any amin'ny distrikan'Ankazobe. Fasana iray indray no nisy namaky afak’omaly Alarobia 21 Febroary alina tao amin'ny Fokontany Sadondraza Ambohitriombonana kaominina ambanivohitra Fihaonana. Olona nandeha maraina ho any an-tsaha no nahatsikaritra ilay fasana efa vaky sy ireo razana efa voakirakira ka nampandre avy hatrany ny mponina tao an-tanàna. Ireto farany indray no nampandre ny mpitandro ny filaminana taorian’izany. Razana maherin'ny 21 isa no voakirakira tanteraka vokatr’izany ka taolam-balo maro no lasa. Karan-doha sy razana iray vao nalevina haingana miaraka amin'ny zazakely 02 sisa no tavela tao am-pasana noho izy ireo kely sy ilay voalohany mbola mando angamba. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Tsiahivina moa fa ankoatra an’Ankazobe dia anisan’ny ahitana vaky fasana matetika ihany koa ny ao Mahitsy ao.
Pati
Legende : Ity ilay razana vao nalevina vao haingana tsy nalain’ireo mpamaky fasana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT