Fihaonamben’ny LLMA andiany faha-5

Hanamafy ny fiarovana sy fitantanana ny harena an-dRanomasina


  • Talata 24 Septambra 2024

Tanterahana any Mahajanga nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 septambra 2024

ny fihaonambe nasionaly fahadimin’ny LMMA (Lamina enti-Mitantanana ny Morontsiraka sy An-dranomasina) sy fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasina, izay eo ambany fandrindran’ny Tambajotra MIHARI (Mitantana Harena an-dRanomasina avy eny Ifotony). Hetsika izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny jono sy ny harena ny toekarena manga, Minisiteran’ny fanajariana ny tany, Minisiteran’ny tontolo iainana. Lohahevitra amin’ity ny hoe : « Mpitantana LMMA miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro », ka solontenan’ireo vondron’olona ifotony, ONG, mpisehatra amin’ny fiarovana ny morontsiraka sy ny harena an-dranomasina ary mpivelona amin’izany maherin’ny 400 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no mandray anjara. Hovoizina mandritra io ny maha zava-dehibe ny fisian’ireo LMMA ireo sy ny fametrahana azy ireo ho vahaolana mahomby amin’ny fiatrehana ny olana sedraina eny ifotony eo amin’ny sehatry ny jono, ka tafiditra ao anatin’izany ny fiovaovan’ny toetr’andro sy fampidinana ny voka-dratsin’izany eo amin’ny famokarana sy ny toekarena. « Mba hampivoarana ny toekerana mifototra amin’ny ranomasina, tao anatin’ny fametrahana ireo tambajotra tamin’ny alalan’ireo mpitantsoroka sy mpiara-miombon’antoka amin’ny fokonolona no nametrahana hoe : ahoana no tsy hampisy tsindry be loatra amin’io ranomasina io mba haharitra ny harena ao anatiny, ary hampivelarina ny seha-pihariana ao aminy fa tsy ny jono fotsiny mba hahafahan’ny vondron’olona ifotony mitantana maharitra ny harena an-dranomasina sy mba hanana fidiram-bola hafa, ka tena niroborobo ny fiaraha-miasa, ary tsy nitsaha-nitombo ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka hahafahana mivelatra amin’ny seha-pihariana hafa », hoy Atoa Rakotovao Guy Célestin Sekretera Mpanatanteraky ny Tambajotra MIHARI. Hanamarika ny fihaonana moa ny famelabelaran-kevitra manan-danja, fitsidihana fari-dranomasina tantanana eny ifotony, fiofanana miaraka amin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny harena an-dranomasina, fizarana traikefa,… Hisy ihany koa ny diabe eny amin’ny Bord ataon’ireo LLMA, fifanakalozana ara-kolontsaina, fampiratiana amin’ny tranoheva, fanentanana ara-tontolo iainana sy fambolen-kazo faobe,…
Toky R
Légende : Ny Tale Mpanatanteraky ny Tampajotra MIHARI Atoa Rakotovao Guy Célestin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT