Fandriampahalemana

Fifohana sy ny fivarotana rongony Lehilahy roa tratra teny Ankadindratombo sy Ankaraobato


  • Alakamisy 05 Aogositra 2021

Lehilahy roa 44 sy 53 taona no saron’nyny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy teny Ankadindratombo sy Ankaraobato afak’omaly sy omaly 04 Aogositra rehefa nifoka sy nivarotra rongony .

 

 Ny 03 aogositra teo raha tsiahivina dia fantatra fa misy lehilahy mamatsy sy mivarotra rongony eny amin’iny faritra Ankadindratombo iny. Nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy tamin’ny fijerena ny zava-misy ka lehilahy iray 44 taona no tra-tehaka teo am-panaovana izany asa ratsy izany tao amin’ny trano fonenany teny Ankadindratombo. Vidiany amin’ny olona eny Anosibe izany zava-mahadomelina izany ka izy indray avy eo no mamatsy ny toerana misy azy ary mahalafo fonosana dimy isan’andro. Efa in-telo niditra am-ponja noho ny resaka famarotana rongony ny lehilahy ary vao nivoaka ny fonja tamin’ity taona ity. Ny lehilahy iray hafa kosa izay 53 taona dia voasambotra teny Ankaraobato omaly 04 aogositra tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Ity farany moa dia sady mifoka no mivarotra. Efa in-14 nigadra noho ny resaka fifohana sy famarotana rongony koa izy. Tsy fantany intsony izay laniny rehefa mifoka izy ary mahalafo 15 fonosana isan’andro. Natolotra ny fampanoavana omaly moa izy roalahy ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT