Fandriampahalemana

Fifohana rongony Lehilahy 2 tratra teny Andravoahangy


  • Talata 05 Jolay 2022

Tena tsy matahotra intsony mihitsy ireo mpifoka rongony amin’izao na dia amin’ny andro atoandro aza.

Lehilahy miisa 2 omaly tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro no tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro nifoka rongony teny Andravoahangy. Tao ambadiky ny toeram-pivarotana Ashmad no nahatrarana azy ireo toerana izay efa fantatr’ireo polisy mpanao fisafoana ihany. Nandritra ny fisavana azy ireo dia mbola nahitana rongony roa fonosana teny aminy. Araka ny voalazany dia vidian'izy ireo eny amin'ny manodidina hatrany ilay rongony. Mifoka kosa no hataon'izy roalahy ka mahalany roa fonosana isan’andro izy ireo. Nilaza moa izy ireo fa toy ny tsy ara-dalàna izany rehefa tsy mandray rongony, antony mahatonga ireo naman’izy ireo hiankin-doha tanteraka aminy.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT