Fandriampahalemana

Fifehezana ny asan-jiolahy Hametraka paikady manakaiky vahoaka ny zandary


  • Zoma 19 Jona 2020

“Tsy natao ambanin-javatra ny fanampiana na ara-bola na ara-pitaovana mba ho entina hamporisihina ireo Zandary amin’ny asany ary ny tanjona ny hanafoanana

 

 

ny antony mety hahasarika azy ireo amin’ny fiarahany miray tsikombakomba amin’ireo mpanao ratsy” hoy ny jeneraly Richard Ravalomanana, sekreteram-panjakàna eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, miadidy ny Zandarimariam-pirenena, manoloana ny loholona omaly. Ezaky ny Minisitera ny fanaparitahana “Compagnie de Brigade “ isaky ny Distrika sy “Brigade de Sécurité Routière “ isaky ny kaominina , hampitaovana ny tombin’ny Zandarimaria rehetra . Nohamafisin` ity tompon’andraikitra voalohany ity kosa fa tsy misy na iza na iza ambony lalàna eto amin’ny tany Repoblikan’i Madagasikara porofon’izany ny fisian’ireo Zandary nogadraina izay voarohirohy tamin’ny resaka “Kidnapping” sy asa-ratsy samy hafa ary nahitana manam-boninahitra ambony izany midika izany fa izay manao ny tsy mety dia tsy maintsy hampiharina aminy ny lalàna. Nanazava izy fa ny fametrahana paik’ady manakaiky vahoaka mikasika ny resaka fandriam-pahalemana sy filaminana miaraka amin’ireo solontenam-panjakana eny amin’ireny distrika , kaominina ary faritra ary hiaraha-miasa amin’ireo vahoaka sy ireo olom-boafidy ao an-toerana izay mahalala tsara ny zava-misy no entina hamongorana hatrany ifotony ny asan- dahalo no tanjona amin’izany .

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT