Fandriampahalemana

Fifanjevoana tao Brieville Maty voatifitra i Lemarijy mpampiorohoro


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Tra-tehaka nitoby tamin'ny namany tao Ambohimaranitra fokontany

 

 

 

Ambohitranivo kaominina Brieville, distrika Tsaratanana ny jiolahy iray antsoina hoe Razanadrakoto na Lemarijy, jiolahy raindahiny namana akaiky an'i Del kely izay mpaka an-keriny, mpanao takalon'aina, mpampihorohoro sy mpangatr'omby ary mpamono olona, ny alin'ny 21 desambra 2020. Araka ny angom-baovao nandritra ny hetsika fampandrian-tany tany an-toerana no nahafantarana fa mitoby ao amin'ny vehivavy namany sady mpamatsy azy ireo izy sy ny jiolahy iray. Raha vao nandre izany ireo Zandary avy ao Andriamena sy Brieville ary ny CSAO niaraka tamin'ireo miaramila tafika avy ao amin'ny Holafy faha 322, dia nirotsaka teny ifotony. Vantany vao nahatsika ireo mpitandro filaminana i Lemarijy sy ilay jiolahy iray namany ary ireo vehivavy roa atao hoe Sahoby sy Fara dia namaky ny fefy nitobian'izy ireo ary nandositra. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra ireo vehivavy fa i Lemarijy kosa tsy nety nijanona na dia nomena baiko tsy hilefa. Voatery nampiasa basy ireo zandary sy miaramila ka lavo i Lemarijy. Nomena ny fokonolona ny razana halevina rehefa avy notsirihan'ny mpitsabo. Ireo vehivavy kosa dia natao andrimaso hatao famotorana lalina. Ilay jiolahy iray kosa dia mbola hatao hazalambo satria tafaporitsaka nanararaotra ny andro maizina sy nandeha lalan-kafa tao anaty haizina, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT