Fandriampahalemana

Fifanjevoana tany Fianarantsoa Jiolahy 3 maty, 5 azo sambo-belona


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Lavon’ny OMC ao Fianarantsoa ireo jiolahy raindahiny miisa 3 fantatra fa nanao asa ratsy namoizana ain’olona. Omaly tokony ho tamin’ny 5ora hariva

no raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny jiolahy sy ny mpitandro ny filaminana tao Tsaramandroso sy Ampitakely ao Fianarantsoa taorian’ny loharanom-baovaon’ny mpitandro filaminana. Nirefodrefotra ny poa-basy, izay heverina fa nisy ny fikasana hitsoaka, ka nahalavo ireo jiolahy 3, ary 5 kosa azo sambo-belona. Heverina fa ireo jiolahy mpanendaka sy mpanao fanafihana, ary mpamono olona ireto lavo sy azon'ny mpitandro ny filaminana ireto. Tratra rahateo ny antsy, sabatra, karazana basy vita gasy,… fampiasan’ireo olon-dratsy. Efa nilaza moa ny governora any an-toerana, fa fa tsy maintsy ahitam-bokany ny fampandriana fahalemana ao anatin'ny herinandro, ka dia io niseho io ny fanenjehana sy fitifirana ireo voalaza fa jiolahy. Tsy milamina ny tanàna any an-toerana satria olona 4 no nindaosin'ny fahafatesana tao anatin'ny andro vitsy monja, izay vokatry ny fanendahana sy ny fanafihana ataon'ireo jiolahy, ary anisan'ireo nindaosin'ny fahafatesana vao andro vitsy izay ny mpanao gazety iray lasibatr’ireo tsivalahara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT