FIFANINANANA HIDIRANA HO ZANDARY

Tovolahy iray milaza ho mahatafiditra no nalefa any am-ponja


  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Zatovolahy iray milaza ho mahatafiditra olona maniry ho lasa

zandary no voasambotry ny borigadin'ny zandarimariam-pirenena tany Ambilobe ka naiditra am-ponja vonjimaika. Nilaza io tovolahy io hoy ny vaovao fa manana fianakaviana ambony afaka mampiditra olona ho zandary . Vola mitetina 1 935 000 Ar no efa azony vokatr'izany nanomboka ny volana Jona no.mankaty ka hatramin'ny volana Aogositra lasa teo. Natao Dépôt Mvola tamin'ny laharam-pindainy avokoa ireo vola ireo. Miantso ny rehetra mba tsy ho voarebirebin'ny fisolokiana hataon'olona momba ny fifaninanana hidirana zandary noho izany ny zandarimariam-pirenena. Fifaninanana madio, mangarahara hoy izy ireo no hidirana ho zandary fa tsy misy vola haloa na dia ariary aza.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay tovolahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT