Fifaninana hidirana ho mpianatra polisy

1 200 isa no horaisina amin’ity taona ity


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Miisa 16.101 ireo mpiadina nahafeno ny fepetra ka afaka niatrika ny fanadinana fifaninana

hiditra ho polisim-pirenena amin’ity taom-pikatrohana 2023-2024 ity manerana ny Nosy. Nanomboka afak’omaly Sabotsy 04 May ny fanadinana ary nifarana omaly Alahady 05 May izay fantatra fa nampiasana ireo karazana teknolojia avo lenta toy ny camera de surveillamce nanaraha-maso akaiky ny fihetsik’ireo mpiadina. Ho an’ny Antananarivo renivohitra manokana dia nahatratra 6240 izy ireo no niatrika izany nitsinjara tamina foibem-panadinana miisa 14. Anisan’izany ny tao amin’ny Ceg Ampefiloha, Lisea Maoderna Ampefiloha, CEG Antanimbarinandriana ary Lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely. Tsiahivina moa fa miisa 1200 izy ireo no horaisina ho mpianatra polisy manerana ny Nosy raha afaka fanadinana soa aman-tsara ka miisa 10 ny kaomisera, 30 ny officier 30, 150 isa ny inspektera raha miisa 1000 kosa ny agent de police.
Pati
Legende : Hentitra fatratra teto ny mpiambina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT