Fandriampahalemana

Fifandonana tao Amparafaravola Dahalo miisa 7 no matin’ny zandary


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Lavo ihany ilay jiolahy raindahiny antsoina hoe Bemoto na Rakipikipy na Sirô izay lehiben-jiolahy mpaka ankeriny sy mpamono olona ary mpanolana nampihorohoro fatratra tany amin'iny tany mifanefitra Tsaratanàna,

 Anjozorobe, Amparafaravola sy Ambatondrazaka ary Moramanga iny, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny zandarimaria omaly. Efa roa andro lasa izay no nahazo angom-baovao mari-pototra ny zandarimaria Alaotra Mangoro fa hita any amin'ny manodidina an'i Ambihikely sy Maheriara Morarano Chrome, distrika Amparafaravola any ry Bemoto sy ireo namany, izay manomana fanafihana ary mirongo basy maherivaika, hoy ny fanazavana. Nidina avy hatrany tany ireo zandary izay efa manao hetsika fampandrian-tany sy fisafoana ara-piarovana avy amin'ny vondron-tobim-paritra Ambatondrazaka sy Moramanga. Omaly tamin'ny 4 ora sy sasany maraina dia nifanehitra tao amin'ny kizo Ampasamalama, fokontany Andranofasika kaominina Ambodirano, distrika Amparafaravola ireo zandary sy ireo dahalo tarihin'i Bemoto izay miisa 7. Tsy misy alaharo fa tonga dia nitifitra variraraka ireo jiolahy ka raikitra ny fifandonana. Nampiasa ny fahaiza-manaony ireo zandary ka lavo avokoa ireo jiolahy 7 mirahalahy. Nofehezina sy nozahana ilay toerana nifandonana ka nahitana basy mahery vaika MAS36 roa miaraka amin'ny bala, basy vita gasy miisa 5 sy bala maro efa nipoaka ary rongony sy mohara samihafa. Fantatra avokoa ireo jiolahy lavo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT