Fifandonana tamin’ny dahalo

Miaramila iray lavo tany Betanatanana


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo nanao fanafihana

mitam-piadiana mahery vaika tany amin’ny kaominin’ambanivohitr’i Betanatanana, ao amin’ny distrikan’i Maintirano, ny zoma 2 febroary 2024 teo, ny miaramila kilasy faha 2, Manampy Gaspar, mitondra ny marikisa 30422, hoy ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Izy dia isan’ireo miaramila maherifo niasa tao amin’ny Holafy fibaikoana sy fampandehanan-draharaha eo anivon’ny “Bataillon d’Infanterie” Maintirano ary tsy nihemotra fa nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny iraka eny an-kianja hiarovana ny vahoaka sy ny fananany, hoy ny fanazavana. Efa tonga tao amin’ny tobin’ny “Bataillon d’Infanterie” Maintirano ny nofo mangatsiakan’Itompokolahy iny zoma iny ihany. Mbola mitohy ny fanarahan-dia ireo mpanao asa ratsy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT