Fandriampahalemana

Fifandonana nahery vaika Dahalo 10 maty, zandary 3 naratra


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Dahalo 10 maty, ary 7 no voasambotry ny zandarimariam-pirenena tany Beteva Ampanihy ao ny faran’ny herinandro teo vokatry ny fifandonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany.

 

 

 

 Zandary 3 ihany koa no naratra. Raha ny fizotra ny raharaha, dia andro vitsy lasa izay no maty voatifitry ny ben’ny tanàna, izay sady mpiasan’ny fahasalamana tao an-toerana. Nahazo loharanom-baovao momba ny toerana misy ireo dahalo ny zandary, ka niainga vao maraina nanafika ny fieren’ireo tao Beteva. Teo no raikitra ny fifandaonana, ka nisian’ny aina nafoy sy ny naratra satra tsy nanaiky lembenana ireo dahalo. Basy roa no tratra tany amin’ireo olon-dratsy. 3 ireo zandary naratra, ka manamboninahitra Lieutnant iray sy zandary mpiana-draharaha iray no tena voa mafy, voatery nentina tamin’ny angidim-by notsaboina haingana aty Antananarivo. “Mihatra aman’aina ny ady amin’ny tsy fandriamapahalemana. Ao anatin’ny fanarahan-dalàna no nisy ny fifandonana, fa sao hisy hilaza indray hoe tsy manaja ny zon’olombelona ny zandary fa jereo ireo dahalo 10 no maty kanefa ny zandary 3 no naratra”, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena na ny SEG Jeneraly Ravalomanana teo am-pitsenana ireo zandary naratra ny sabotsy teo.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT