Fandriampahalemana

Fifandonana mahery vaika tany Mandoto Dahalo 13 lavon’ny zandary, fokonolona 3 maty


  • Alatsinainy 28 Jona 2021

Dahalo 20 lahy eo ho eo no nanafika ny tananan'i Anjeze fokontany Beakanga Kaominina Vasiana distrika Mandoto ny 24 jona 2021 teo tamin'ny 5 sasany maraina.

Nirongo basy AKM sy MAS 36 ary basim-borona ireo dahalo ary nandroba omby miisa 60 eo ho eo, araka ny fampiram-baovaon’ny zandarimaria. Fokonolona mpanao kalony 3 sy vehivavy iray no namoy ny ainy nandritra ny fanafihana, raha 5 kosa no naratra ka noentina namonjy mpitsabo. Zandary miisa 16 avy hatrany no nalefa hanampy ny fokonolona izay notarihin'ny Kapiteny Irinjaka Rabemananjara Komandin'ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Mandoto. Nitondra moto 8, nanakatona ny kizo Andranomainty. Ary nampian'ny miaramila 7 lahy tosika, avy ao amin'ny Holafy faha 109 izay nobaikon'ny komandin'ny holafy ihany koa. Tonga mialoha teo Andranomainty fokontany Ambaravaranala Kaominina Anjoma-Ramartina ny zandary 10 lahy ary raikitra ny fifandonana tamin'ny 1 sasany tolak'andro. Namaly anefa ireo dahalo ka nifindra tao amin'ny kizo Besakay ireo zandary ary raikitra fanindroany ny fifandonana tamin'ny 3 sasany. Nitsoaka nanaraka ny kizo Manarilefokely ny dahalo ary mbola narahin'ireo zandary hatreny amin'ny kizo Besakay izay nisy fifandonana tamin'ny 7 sasany hariva. Vokany, tafaverina amin'ny tompony avokoa ireo omby very ary basim-borona iray no azo. Mitontaly 13 ireo dahalo lavo ary omby 60 no tafaverina amin'ny tompony. Tsy nisy aina nafoy ny mpitandro filaminana. “Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana manoloana ny asan-dahalo ary tsy maintsy ahitana vokany ny famongorana ny asan-dahalo. Mazava ny baiko: ny dahalo no mihorohoro. Porofo izao omby tafeverina manontolo amin'ny tompony izao sy ny dahalo lavo. Isaorana indrindra ireo fokonolona izay nanohana hatrany ny zandarimaria sy ny tafika amin'ny fampandriana fahalemana ny tany ary entanina mba hametraka ny fiarovan-tena isan-tanàna”, hoy ny zandarimaria.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT