Fandriampahalemana

Fifanarahana ara tafika Inona no tambiny ho an i Rosia


  • Alarobia 13 Aprily 2022

Tsy tapitra hatreo ny resaka momba ilay raharaha fifanarahana ara tafika eo amin i Madagasikara sy Rosia vita sonia ny janoary

ary nihatra nanomboka ny 25 martsa 2022 teo. Mety tsy dia nahataitra loatra ilay fanambarana fa fanofanana ireo manamboninahitra sy ny fanavaozana ireo fitaovam-piadiana, izay mbola tsy nisy hatramin'ny taona 1980 no nankaty , no nolazaina. Fa ny tena nahasarika ny saina, dia ilay fifanarahana natao tao anatin'izao vanim-potoana izao, sady nafenina. Isan’ny nitondra fanamarihana momba ity raharaha ity ny fampahalalam-baovao Frantsay TV5 Monde tamin’ny alalan’ny mpanao gazetin’ny RFI (Radio France International) eto. Voaresaka ny fandehanan'ny minisitry ny fiarovana Malagasy tany Moscou ny volana Janoary lasa teo, raha nasain'ny Ozinina Kalachnikov izy. Tsy nisy fampahafantarana ofisialy avy amin’ny Fanjakana malagasy, fa haino aman-jery vahiny no namoaka azy. Ahiana hoentina mampiditra ao an-tsain'ny olona sahady ny fisian'ny Rosoanina eto Madagasikara, izay voalaza fa efa mifandray amin'ny Madagasikara eo amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany. Efa hatry ny ela niezahan’ny Rosianina naka toerana teto, nentiny tany amin’ny raharaha Îles Eparses, niditra nampiasa vola tamin’ny fitrandrahana harena ka isan’ireny ny fiaraha-miombon’antoka tao amin’ny Orinasa Kraomita tany Brieville,… Tsy vao izao ny resaka fidirana an-tsehatra ara-jeopolitika sy politika ataon’ny Rosianina eto, efa nisy ny fanadihadiana an-gazety ny fitsabahan'ny Rosia tamin'ny fampielezan-kevitra tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany iny, ary nisy rahateo ny kandida maromaro voalaza fa nahazo vola tamin’ny Rosianina. Ara-diplaomatika, tsy nahafaly loatra ireo masoivoho tandrefana ny nandavan'i Madagasikara indroa nisesy ny fanamelohana ny fanafihan'i Rosia tao O\krainina. Mety hisy fiantraikany amin’ny resaka fiaraha-miasa, toy ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-13 izay toa mbola manjavovozavo.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT