Fifampitifiran’ny dahalo sy zandary

Voa tao amin’ny lamosiny i Nary Volomborona


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Dahalo iray fanta-daza mpamerin-keloka amin’ny fanafihana mitam-piadiana antsoina hoe Nary volomborona,

izay efa nokarohina hatrin'ny ela no hitan'ny mponina nihaodihaody tao Andraitsimiemona Ambohibary, Arivonimamo, ny alin'ny 18 may 2024 lasa teo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Niantso ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ireo mponina ka nifanehitra teo amin’ny fidirana ny tanàna ilay dahalo sy ireo zandary. Nitifitra avy hatrany moa ity dahalo ity ary namaly ny mpitandro ny filaminana ka voa tao amin'ny lamosiny i Nary volomborona . Noho ny fahaverezan-drà be loatra dia tsy tana intsony ny ain'ilay dahalo. Tratra teny aminy, mazava ho azy, ny basy vita gasy iray ary nahitana taim-bala «calibre 12» ihany koa teo amin’ny manodidina rehefa natao ny savahao. Taorian'ny fizahana nataon'ny mpitsabo no nanolorana ny razana tamin'ny fianankaviana raha toa ka niroso tamin'ny fampandrenesana ny tonia mpampanoa lalàna ao Imerintsiatosika ny zandary ao an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT